<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G.J. Webb</author>
<title>He, tonga ho antsika ny Tompo mora fo FFPM45</title>
<lyrics>[V1]
 He, tonga ho antsika
 Ny Tompo mora fo,
 Mpamonjy, Havantsika,
 Ilay mamindra fo ;
 Andeha mba hifaly
 Isika, ry zareo !
 Nahazo Mpampifaly,
 Ka manandrata feo

[V2]
 Hajao ny Tompontsika,
 Mpanjaka lehibe,
 Andriamanitsika,
 Mpanala rofy be ;
 Avia mba hidera,
 Ry mino tsara fo !
 Avia manatera
 Ny saotra ao am-po.

[V3]
 Ry Tompo Zanahary !
 Mihira izahay,
 Fa teny mahafaly
 No tonga ho anay ;
 Ny andro famonjena
 No andro sitrakay ;
 Fanahy manantena
 No ifalianay.

[V4]
 Ry Tomponay ! mandraisa
 Ny haja entinay ;
 Tsy volamena anefa,
 Fa saotra aterinay ;
 Ry Jeso Tompo soa !
 Isaoranay Hianao,
 Fa lehibe tokoa
 Ny fitiavanao.</lyrics>
<hymn_number>45</hymn_number>
</song>